de l'Eglise FPVM Ile-de-France
J'aurai toujours là mes yeux et mon coeur.
2 Chronicles 7:16b

Bienvenue sur le  site web

de l'Eglise FPVM Ile-de-France

 

Page de temoignage

 

Mais pourquoi rendre témoignage ?

Jésus répondit au questionnement de Pilate qu'Il est né et venu dans le monde pour rendre témoignage à la vérité et que quiconque est de la vérité s'il écoute sa voix. Jean 18:37

Si actuellement Jésus est « passé de ce monde au Père » et que le monde ne le voit plus. Il a pourtant laissé ses disciples porteurs du témoignage à Lui rendre. Et eux aussi allaient rendre témoignage à ce Fils de l’homme glorifié, comme ayant été avec lui sur la terre dès le commencement (16:27).

Et ainsi ce témoignage se poursuivra : les disciples immédiats ont vu Jésus après sa résurrection, en ont témoigné ; par ces témoins oculaires l’Esprit Saint en amène d’autres à croire, le Seigneur lui-même « rendant témoignage à la parole de sa grâce » (Actes 14:3), et ceux-ci seront appelés à leur tour à rendre témoignage, et cela jusqu’à son retour en gloire, où il n’en sera plus besoin.

« N’aie donc pas honte du témoignage de notre Seigneur », disait Paul à Timothée — et à chacun de nous. (*)

Les témoignages reçus seront publiés dans cette page pour la Gloire du Seigneur Jésus.

* Extrait de André Gibert - bibliquest.net

 

Toy izao no tantaran’ny niantsoan’ny Tompo ahy ho Mpitandrina

- Ny loharano nipoirana:


- I Pasteur RAJESTERA Rivoherison Alain no anarako, teraka tao Mandialaza Andravoahangy. Mpiasan’ny gara fahiny ny raiko ary mpampianatra ny reniko, izay efa samy maty avy koa. Avy any Mangamila ny fihavian’ny raiko ary ao Manandriana Avaradrano kosa ny reniko. Manana zoky lahy efa manambady amanjanaka, mipetraka eto Frantsa aho ary zandry vavy izay efa manambady aman-janaka koa any Madagasikara.

- Ny toerana nahalehibe


Fianakaviana antonony no nahabe ahy ary teo Mandialaza no toerana nilalaovako mandram-pivoakako hanambady. Rehefa nanambady an’i Hanta RAJAONARIVELO aho tamin’ny taona 1995 dia nipetraka teny Soavimbahoaka teny ary niteraka ny zanakay telo mianadahy. Lasa taty an-dafy aho ny taona 2002 ka nanaraka ahy taty ny vady aman-janako tamin’ny 2004.

- Ny dingana ara-panahy nolalovana

LegendeSiBesoin

Katolika iringiriny daholo ny fianakaviana nihaviako sady nianatra tany amin’ny ESCA Antanimena, sekoly katôlika aho nanomboka ny kilasy 12è ka hatramin’ny Terminale. Nazoto niangona tsy tapaka aho isaky ny Alahady saingy sady tsy namaky baiboly no tsy nahatsapa ny tena fitiavan’Andriamanitra. Rehefa nisy olana izahay na hanala fanadinana dia noentin'ny mamanay tany amin’ny mpitaiza, i Nenibe teny Soavinimerina.
Noho ny korontana nisy teo amin’ny tokatranon’ny ray aman-dreniko dia nahatsapa fahabangana lehibe aho ka nitodika nitady hery miafina toy ny « méditation » sy ny arts martiaux isan-karazany. Ny taona 1986, 26 Jona io andro io, 15 taona aho tamin’izay dia babon’i Jesosy ny foko raha niaraka tamin’ny havanay nivavaka tao F.J.K.M Andravoahangy Fivavahana aho, satria nanatrika fotoam-pifohazana Alarobia tao aho ka resy…. Voaova ny foko ; nibebaka tamin’ny fahotako rehetra aho ary nanolotra ny fiainako ho an’i Jesosy.
Nanomboka nitady an’i Jesosy tokoa aho ary indrindra fantatro fa i Jesosy kay ilay Hery miafina nampangetaheta ahy hatramin’ny voalohany.
Voavaly io hetahetako io taty aoriana satria nanomboka nahita ny famangian’Andriamanitra aho tao anatin’ny vavaka: sitrana ny aretina asthmes izay nampijaly ahy an-taonany maro, sitrana toy izany koa ny nenintoanay izay efa narary efa impiry natao hoe maty kanjo rehefa niantsoana mpiandry izy dia najanona daholo ny fanafody eraky ny armoire ka sitrana tanteraka izy ka lasa mpiandry, fahagagana nataon’i Jesosy teo amin’ny fianakaviana iray manontolo izany.
Maro no lasa mpiandry ny fianakaviako tao aorian’io. Voantso sy notokanana ho mpiandry aho tamin’ny taona 1992.
Nitohy niteny tamiko Jesosy ary nampianatra ahy hanara-dia azy ary nanomboka nampiasa ahy hanasitrana ny marary sy hamaha ny gadra mamatotra ny olona.
Toy izao no fomba firesahany tamiko: misy olona tonga miresaka amiko ao anatin’ny nofy dia milaza amiko mazava izay tokony hataoko. Manamarina izany izay voambara ao amin’ny Isaia hoe: « Tsy hiery intsony ny mpampianatra anao ; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hœ: Ity no lalana, ka andehano. » (Isaia 30:20-21). Tao anatin’izany nofy izany ohatra no nitenenany tamiko hoe « ity teny ity no hoentiko mitaridalana anao ka raha tsy mandeha araka ity ianao dia hosahirana amin’ny fiainanao: « Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao ampon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. » (1 Korintiana 2:9-10).
Ankoatran’ny nofy dia nanome toky ahy ihany koa Jesosy Tompo, fa homba ahy izy rehefa mitory ny teniny aho. Imbetsaka aho no nahita, fa nilatsahan’ny Fanahy Masina ny olona tamin’ny fotoana nitoriako ny teniny. (Jereo ny Asan’ny Apostoly: « Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 10:44)
Ohatra iray: niantso ahy hivavaka ho azy i Hanitra tao Ankadifotsy indray Zoma alina, fa hanao baccalauréat izy amin’ny Alatsinainy. Ny antony dia satria tsy nanan-kery hoentina hiatrika ny bac izy satria narary mafy nanditra ny telo volana farany talohan’ny fanadinana ka nahatsiaro ho kivy. Tao anatin’ny toriteniko dia nisy asan’ny Fanahy Masina izay nampibebaka ny tao an-tranony rehetra hiala tamin’ny fanaon’izao tontolo izao ary dia nanao asa fandroahana sy fandoroana devoly izahay ka rehefa nametrahan-tanana i Hanitra dia niova ny masony ka tsy izaho no hitany nametra-tanana taminy, fa Jesosy nanao fitafiana fotsy lava. Vita izany vavaka izany dia niseho tamin’i Hanitra isan’alina ny sujet izay hivoaka any amin’ny fanadinana ny ampitso. Toy izay foana nandritra ny herinandro. Ary akory ny fifaliany fa dia afaka soa aman-tsara izy rehefa nivaly izany.
Betsaka ny fanamboarana nataony tamiko talohan’ny niantsoany ahy ho pasitera. Nofaniny nandritra ny 10 taona (1992-2002) ho komity mpitantana ny FEFI niaraka tamin’i Pasteur Sacha aho, nanao tafika masina nitety ny faritany enina an’i Madagasikara. Nalefany taty Frantsa tamin’ny 2002, nitsabo an’i mamanay ka dia tafajanona taty nanangana ny Chorale "Hafatry ny Lanitra", saingy nijaly tsy nanana taratasy ka dia saika hody tany Madagasikara indray. Niteny anefa ny Tompo tamin’ny taona 2006, fa raha manaiky hanao pasitera aho dia hamboarin’i Jesosy ny taratasinay mianakavy. Rehefa nifanaiky izahay mivady fa hanaiky ny antsony dia nomeny taratasy soa amantsara dia niofana ho Mpitandrina nanomboka teo.
Nanangana ny fiangonana F.P.V.M. Vatolampy Famonjena tamin’ny 2007, niaraka tamin’i Pasteur Christine sy Pasteur Jacky. Dia nisokatra ny fiangonana tany Taninanandrano foibe tamin’ny 2008 ary navoaka ho mpitandrina izahay tamin’ny 2009.

Tsapako nandritra izay fotoana niarahako tamin’i Jesosy izay, fa ny tsy hain’olombelona atao dia hain’Andriamanitra ary ny vavaka manova zavatra ka na dia mafy aza ny tafio-drivotra sy ny fisedrana izay mila hamono ny finoana, dia tsaroana foana ilay tenin’ny Tompo hoe: « Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra » (Filipiana 4:6) .

Mahereza ary ianao izay mamaky izao fijoroana ho vavolombelona izao ary aza kivy mihitsy na misy inona na misy inona, fa Jesosy tsy hamela anao ho faty na handao anao akory. Ataovy ny asany, ary tandremo foana ny fahadiovam-po sy ny fanetren-tena. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Pasteur Alain RAJESTERA, Mpitandrina, Fiangonana F.P.V.M. Vatolampy Famonjena Boissy-Saint-Léger, Frantsa
 
 
MENU NG decoup
 

Le webmestre répond 

également à vos courriers au : 

[email protected]